La Reference du Digital ...
Actualités

Condition de projet en malagasy

Miarahaba tompoko,
ataoko amin’ny teny malagasy …
Mr Setra, développeur ato amin’ny 4devmada no miresaka aminareo indray androany.
Ny logiciel rehetra izay vokarinay ato dia version STANDARD avokoa, izany hoe mitovy ary afaka ampiasan’ny olona rehetra. Ny vidiny dia mitovy… Fa raha misy kosa ny fanamboarana madinidinika dia miova ny vidiny satria efa misy mahasamihafa azy amin’ilay version standard, fa tsy ilay vidiny amin’ny maha STANDARD azy, izany hoe misy touche personnel.
Manaraka izay, ho anareo izay hampanao projet logiciel na application personnel na professionnel, dia tsara kokoa ny manana cahier de charge ianareo, mba hahafahanay ao amin’ny groupe mijery sy manao ny etude mikasika ny vidin’ny projet anareo,ny demarche de conception ary ny execution an’ilay projet, mba tsy hiovahova ilay zavatra atao, « ny soratra hono no mitoetra »,dia iny no directive arahinay hamitana ilay projet anareo, ka raha miala amin’iny dia misy sarany hafa koa miampy mifanraka amin’izay.
Ankoatra izany, ho anareo hividy ny logiciel na application, MATOA IZAHAY TOMPOKO MILAZA AMINAREO MATETIKA HOE MILAZA ERINANDRO MIALOHA, alohan’ny tena hampiasanareo ny vokatra vokarinay, dia satria MILA MANAO SIMULATION aloha ianareo amin’ny fampiasana ilay logiciel, toy ny manao formation mba hahafahanay manao ny suivies anareo mandritra ny simulation. Fa tsy hoe rahampitso ianareo no hanokatra tsena dia andronay ianareo no hanao mise en place dia hampiasa ilay logiciel kapobatana be avy hatrany. Izany no fepetra efa napetraka dia mba hisorohana ny mety ERREUR DE MANIPULATION NA SAISIE NA DONNEES. Vita ny simulation izany hoe A BASE DE DONNEES TEST, IZAY IANAREO VAO MAMPIASA ILAY LOGICIEL A BASE DE DONNEES REEL.
Marihina etoana fa ao anatin’ny phase de simulation no hahitana izay modification madinika (FA TSY TOUCHE PERSONNELLE). Izay no hilana ilay FILAZANA ERINANDRO MILAOHA.
Azonareo atao ny mijery sy manao simulation en ligne, amin’ny fangatahanareo izany amin’ny mailaka, na hafatra miafina MP, na koa miantso avy hatrany ny laharana, mba hanomezanay ny rohy hahafahanareo mijery sy manao izany simulation izany.
Raha ao aorian’izay simulation izay no misy zavatra tianareo ho amboarina na ovaina, dia misy ny sarany izay aloan’ny mpanjifa ao anatin’izay, eo ihany koa ny frais de deplacement.
Marihiko etoana, ny logiciel standard dia mitovy avokoa no livrer-na na any amin’ireo client any ivelany na eto Madagasikara, ka raha mandeha any amin’ny client any ivelany sy eto dia mandeha amin’ny client hafa rehetra izay. Fa matoa misy ny olana dia erreur de manipulation sy saisie izay , izay vokatry ny tsy fanarahana ilay SIMULATION sy FORMATION tokony ary OBLIGATOIREMENT tsy maintsy natao mialohan’ny tena hanaovana exercice amin’ilay projet.
Izay no hafatra avy aty amiko, fa raha misy ny fanontaniana tianareo apetraka dia misokatra ho anareo ireo laharana antariby ireo.
PS : ho anareo izay manana rendez-vous amiko manokana Antananarivo dia manomboka Alakamisy aho no afaka mandray anareo dia raisiko avokoa ianareo amin’izay ora efa nomena anareo tamin’ny antso an-tariby.
Miala tsiny raha somary tara satria mbola en déplacement izao raha ny tenako manokana.
Misaotra indrindra anareo, dia misaotra anareo koa amin’ny compréhension.
Ratsimba Setra Finaritra développeur 4devmada

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *